Actualités

Erick Rabemananoro 0,5% ny zana-bolan’ny vola hindramina ho an’i Madagasikara


  • Zoma 28 Novambra 2014

Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina ny manodidina ny tontolon’ny famatsiam-bola avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay mandrafitra ny 70%-n’ny tetibolam-panjakana Malagasy. Lazaina fa miverina amin’ny laoniny ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena saingy toa tsy mbola hita soritra ny fanampiana ara-bola avy amin’ity mpamatsy vola iraisam-pirenena ity. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana indrindra anio ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, Erick Rabemananoro. Resadresaka.

Tia Tanindrazana (TT) : Azo fantarina ao anatin’ny fehezanteny vitsivitsy ve ny momba izany antsoina hoe «Banky iraisam-pirenena» izany ?

Erick Rabemananoro (ER) : Ny Banky iraisam-pirenena dia vondrona iray misy rantsana dimy, izay samy manana ny asany. Anisan’ireo rantsana ireo ny atao hoe International Development Association (IDA), izany manampy ny firenena mahantra, ary ny International Finance Corporation (IFC), izay manohana ny mpandraharaha tsy miankina. Ny tanjon’ny Banky iraisam-pirenena dia ny mampihena ny fahantrana maneran-tany, ary mivoy ihany koa ny tokony hisian’ny fizarana rehefa miakatra ny harinkarena.

TT : Ahoana no tena fomba fiasany ary inona no mampiavaka ny Banky iraisam-pirenena amin’ireo mpamatsy vola hafa ?

ER : Misy firenena 188 no mitambatra ao amin’ny Banky iraisam-pirenena izay manana fomba fiasa tahaka ny kaoperativa. Ireo firenena mpikambana ao anatiny ireo ihany no tompom-bola. Azo lazaina fa misy zavatra telo lehibe mampiavaka azy. Ny voalohany, dia ny ambaindainy izany hoe, banky natao hamatsy vola ny ezaka fampandrosoana ataon’ireo firenena mivondrona ao aminy ny Banky iraisam-pirenena. Ny faharoa, dia ny traikefany izay azo tsapain-tanana amin’ny vokatry ny asa nataony tamin’ireo firenena miparitaka amin’ny vazantany efatra nandritra ny fotoana lava. Ny fahatelo farany dia ny fahafahany mamatsy vola amin’ny ampahany goavana, ka mahatonga azy ho mitana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fiarahamonina iraisam-pirenena.

TT : Amin’ny maha mpamatsy vola azy, inona avy ireo dingana takiany mialoha ny tena famoaham-bola sy ireo fepetra tsy maintsy arahina ihany koa amin’ny famerenam-bola ?

ER : Ny zavatra tsara ho fantatra  voalohany indrindra dia izao : ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena dia miainga avy amin’ny programan’asan’ny governemanta. Rehefa mivoaka io programa io, dia mandinika amin’izay ny Banky iraisam-pirenena amin’ireo sehatra azony handraisany anjara. Avy eo dia misy ambaratonga maromaro. Ao aloha ny fifampidinihana miaraka amin’ny governemanta izay matetika mitaky fotoana lavalava ihany. Ny antony dia satria tsy maintsy fantarina avokoa ny tanjona tiana hotratrarina, ny asa hotanterahana, ny vola ilaina, ny fitantanana an’ilay tetikasa sy ny maro hafa. Rehefa mifanaiky tsara ny roa tonta dia soniavina ny fifanarahana, izay tsy maintsy mbola ankatoavin’ny Antenimieram-pirenena. Ny famoaham-bola dia manaraka ireo lamina efa napetraka tany am-boalohany na ilay antsoina hoe “plan de décaissement”. Mazava ho azy fa tsy maintsy manaraka ny fepetra rehetra takian’ny Banky iraisam-pirenena ny eo amin’ny lafiny fitantanana sy ny mangarahara. Raha tsorina dia tsy manapaka irery ny zavatra tokony hotontosaina ny Banky iraisam-pirenena fa miankina amin’ny vokatry ny fiaraha-midiniky ny roa tonta.

TT : Inona avy ireo fepetra tsy maintsy arahina ihany koa amin’ny famerenam-bola ?

ER : Misy ny vola azo avy amin’ny Banky iraisam-pirenena tsy averina, fa fanomezana. Raha ny momba ny vola hindramina indray, dia averina ao anatin’ny 30 na 40 taona izy ireo satria matetika aorian’ny  fe-potoana 10 taona vao manomboka ny famerenana. Matetika tsy misy zana-bola, ary raha misy aza dia zana-bola faran’izay kely, manodidina ny 0,5% eo ho eo ho an’i Madagasikara. Ireo no fepetra amin’ny “credit concessionnel”, izany hoe fampindramam-bola arahina fepetra nohalefahana arak’izay tratra ho an’ny tany mahantra.

TT : Aiza ho aiza indray ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao ?

ER : Marihiko fa ny Banky iraisam-pirenena dia tsy nitsahatra nanampy ny vahoaka Malagasy, na nandritra ny krizy aza. Tsy nitsahatra ny tetikasa izay novatsianay vola, ary nisy aza tetikasa vaovao. Ohatra mivaingana iray, mpianatra efa ho telo tapitrisa no mahazo fanampiana amin’ny alalan’ireo tetikasa PAUET na PAUSENS. Na izany aza, ekena fa nametraka sakana ihany ny fisian’ny rafitra tetezamita. Ankehitriny, satria niverina amin’ny fitondrana nateraky ny fifidianana i Madagasikara, dia miverina amin’ny laoniny ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tsy mitsahatra ankehitriny ny fifampidinihin’ny Banky iraisam-pirenena amin’ireo mpitondra amin’ny isan’ambaratongany satria maro ny tetikasa iarahana manomana ankehitriny.

TT : Ankoatra ny famatsiam-bola, inona ireo tohana hafa azon’ny Banky iraisam-pirenena haroso ho an’ny firenena Malagasy ?

ER : Marina tokoa fa ny famatsiambola no tena ahafantaran’ny olona ny Banky iraisam-pirenena. Ho anay anefa, mitovy lenta amin’izay koa fanampiana ara-teknika sy fahalalana, ny fikarohana sy fanadihadiana maro samihafa. Izay no mahatonga ireny fikaonandoha sy atrikasa maro ireny ary ny lesona azo tsoahina amin’ireny dia hanampiana ny fandrafetana ny programan’asa. Zaraina ho an’ny besinimaro izy ireny ary afaka hita amin’ny tranokala.

TT : Farany, efa miaina tanteraka ao anatin’ny fahantrana ny vahoaka malagasy, tsy mbola hita soritra anefa ny fanampiana ara-bola avy amin’ny mpamatsy vola, inona no antony ?

ER : Efa misy ankehitriny ny mpamatsy vola efa namoaka ny fanampiany. Ho an’ny Banky iraisam-pirenena, dia mbola naka fotoana kely ny fanomanana. Tokony handalo fankatoavan’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena alohan’ny faran’ity taona ny tetikasa roa vaovao, ary anisan’izany fanampiana ara-tetibola ho an’i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT