Actualités

EPP Soavina Novatsiana kiraro ireo mpianatra


  • Alarobia 07 Janoary 2015

Nanomboka ny alatsinainy 5 janoary 2015 teo ny fampianarana telovolana faharoa ho an’ny Sekoly Fanabeazana Fototra Soavina izay hifarana amin’ny 17 martsa 2015

. Nanamarika ny telovolana voalohany ho an’ity EPP iray mandrafitra ny Fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano ity ny fizarana kiraro ho an’ireo mpianatra CP2 na taona faharoa hatramin’ny CM2 na taona faha-5. Vokatry ny fampiharana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fahazoan’ireto ankizy ireto fanomezana avy amin’ny fikambanana ADRA avy amin’ny fiangonana Advantista. Nanomboka tamin’ny volana desambra 2014 ny famatsiana ity fanomezana ity ary mbola mitohy amin’izao volana janoary 2015 izao ho an’ireo mpianatra tsy mbola nisitraka ny fanomezana, araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Ahitana mpianatra manodidina ny 450 ao amin’ny EPP Soavina, mpampianatra miisa 9 ka mpiasam-panjakana ny 3 ary miankina amin’ny FRAM kosa ireo 6 ambiny. Mbola miandry ny fanendrena ny tale vaovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena moa ny rehetra ankehitriny taorian’ny nahalasa ho lehiben’ny fari-panentanana ara-pedagôjika na ZAP Soavina ny mpitantana teo aloha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT