« Miainga avy any amin’ny andrim-panjakana ambony indrindra ny maodely amin’ny fifanohanana sy fiaraha-mientana, indrindra fotoana izao hifanomezan-tanana hanarenana ny firenena iombonana »,
hoy ny tompon’andraikitra ao amin'ny foibem-pitantanana ny raharaha sosialy sy politika (DASP) eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika nandritra ny lahateniny.
Tafiditra rahateo ao anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fanatsarana ny fanabeazana ary voarakitra ao anatin’ny velirano fahefatra nataony tamin’ny Vahoaka Malagasy. Voafidy nanaovana ny hetsika omaly ny Sekoly Fanabeazana Fototra (SFF) ao Iavoloha, nandritra fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika « asa tana-maro ». Hanatsarana ny sekoly dia tonga marobe nitondra ny anjara birikiny teny an-toerana ireo mpiasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny « DASP », tamin’ny alalan’ny fanaovana asa fanadiovana, fandokoana ireo rindrina ivelany sy anatiny ny efitrano fianarana sy ny solaitrabe, fanomezana sakafo ara-pahasalamàna toy ny koba aina voakarakara sy vary ireo ankizy mpianatra. Nisy ihany koa ny fambolena fototra zanakazo maromaro tao anatin’ny faritry ny sekoly. Marihina fa manana efitrano fito ny sekoly ary manana mpianatra 530.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.