Actualités

EPP Ankaraobato Nitokona ny mpampianatra, tsy nianatra ny mpianatra


  • Alarobia 19 Oktobra 2016

Ela ny ela fa niharihary ihany ny tsy fankasitrahan’ireo mpampianatra eo anivon’ny EPP Ankaraobato ny tale mpitantana ny sekoly hiasan’izy ireo.

 

 Nitokona tsy nety nampianatra intsony izy ireo omaly. Efa herintaona lasa izay no fantatra fa nangatahan’izy ireo teo anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’Atsimondrano ny amin’ny hampiatoana amin’ny asany ity talen-tsekoly iray ity. Araka ny fanadihadiana natao dia leo ny didy jadona ataony sy ny fanodinkodinam-bola misy eo anivon’ny sekoly izy ireo. Efa volana maromaro mantsy izao no fantatra fa tsy nandray ny tambin-karamany intsony ireo mpampianatra FRAM 12 isa. Ankoatra izay dia tsy mba misy afaka maneho ny heviny ihany koa ny mpampianatra rehetra rehefa misy fivoriana hiarahan’ny roa tonta na ilay antsoina hoe : FKM fa ity talen-tsekoly ity hatrany no mandidy sy manapaka. Leo ny zava-misy iainany ireo mpampianatra ireo ka nikomy. Nanohana ny fitokonana nataon’izy ireo ihany koa ny ray aman-drenin’ny mpianatra izay tsy nanisy olana ny fanafoanana ny fampianarana omaly tontolo andro. Voatery niditra an-tsehatra  ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano ka nisy ny fivoriana niarahany tamin’ireo mpampianatra miisa 12 ny hariva nentina nitadiavam-bahaolana. Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT