Actualités

EPP Ankaraobato Haato amin’ny asany ny talen-tsekoly


  • Alakamisy 20 Oktobra 2016

Haato amin’ny asany tsy ho ela ny talen-tsekoly eo anivon’ny EPP Ankaraobato,

 

 taorian’ny nisian’ilay fitokonana notanterahin’ny mpampianatra notohanan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao an-toerana afaka omaly talata 17 oktobra.  Niverina tamin’ny laoniny nanomboka omaly araka izany ny asa fampianarana eo anivon’ny sekoly. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa handray ny andraikiny ny kaominina Ankaraobato. Hitondra ny raharaha fanodinkodinam-bola eny anivon’ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly mantsy  izy ireo raha araka ny fanazavana azo hahafahana maneho  amin’ny rehetra ny tena marina. Ho an-dRamatoa Nico talen-tsekoly moa dia nambarany fa tsy nanao izany fanodinkodinam-bola teo anivon’ny sekoly izany ny tenany ary efa eo am-panangonana ireo antontan-taratasy mikasika ny famoaham-bola rehetra nataony teo anivon’ny sekoly hatramin’ny talata teo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT