Actualités

EPP Ankadivato Ankizy 200 no nizarana fitaovam-pianarana


  • Sabotsy 01 Oktobra 2016

Toy ny fanaony isan-taona, indrindra amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana izao dia tsy nanadino ny nanolotra kits scolaires ahitana fitaovam-pianarana maro samihafa sy kitapo ho an’ireo mpianatra miisa 200 eo anivon’ny sekoly EPP

 Ankadivato ny orinasa Star vokatry ny fiaraha-miasany amin’ny  fikambanana SHAReMada. Omaly no nanolorana tamim-pomba ofisialy ny fitaovana niaraka tamin’ny zava-pisotro  Judor. Nosinganina manokana tamin’izany ireo ankizy tena sahirana ara-pivelomana, indrindra ao anatin’ny fokontany Ankadivato. Nitohy tao amin’ny fokontany Mandialaza sy Ambatomitsangana ny fizarana omaly hariva izay mbola nahitana ankizy miisa 150 indray. Tanjona moa ny hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano, indrindra fa ireo ray aman-dreny tsy manana antom-pivelomana raikitra. Tsiahivina fa mandany 1 miliara Ar isan-taona ny  orinasa Star hanohanana ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT