Hanovonana ny fanampiana azy avy amin’ny fanjakana malagasy eo amin’ny fikarakaran’ny sosialin’ny mponina isam-pokontany
dia tsy mitsahatra mitady fiaraha-miasa fanampiny avy amin’ny tsy miankina tsy an-kanavaka ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohimanambola Avaradrano, Ramilison Donat. Vita indray ary izao ary notokanana omaly alatsinainy 28 novambra noho ny fiaraha-misan’ity kaominina ity tamin’ny orinasa vao hisokatra eny an-toerana dia ny Vymad izay orinasa mpikirakira vy, ny fanavaozana sy fanatsarana ny EPP Ambohipeno anisan’ireo fokontany iray ao amin’ity kaominina ity. Nisy koa ny fanoloran’ny orinasa “Kits Scolaires” ho an’ireo mpianatra. Nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ity Vymad ity, Rakotoarimanana Zo, ho famaliana ny hetahetan’ny mponina nampitainy tamin’Atoa ben’ny tanàna, Donat, sy hitoeran’ny fiarahamonina hirindra tsy misy raorao no tena nampirisika azy ireo nanatanteraka ity tetikasa ity. Mbola hotohizana amin’ny tetikasa fanomezana rano fisotro madio sy fanomezana fanazavana ny tanàna eny Ambohimanambola avy amin’ny alalan’ny fametrahana andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny asa sosialy ataon’ity orinasa Vymad ity, hoy ihany Atoa Zo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.