Actualités

EPP Ambohibao Antehiroka Nahazo efitrano famakiam-boky vaovao


  • Alarobia 03 Febroary 2016

Nahazo efitrano famakiam-boky vaovao ny sekoly ambaratonga fototra etsy Ambohibao Antehiroka, kaominina Antehiroka.

 

Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa vokatry ny ezaky ny sekoly sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary ny mpiara-miombon’antoka. Tonga nitokana izany i Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoha izay nanolotra karazana boky amin’ny fiteny malagasy sy frantsay ary anglisy niampy fahitalavitra iray sy lecteur DVD ary solosaina feno sy seza, latabatra ary etazera. Tsy adinony ihany koa nandritra izany ny nanolotra fanampiana ho an’ny cantine ao amin’ity sekoly ambaratonga fototra iray ity entina hanampiana ny mpianatra. Betsaka amin’ireo ankizy mantsy no tsy mihinana ara-dalàna intsony any an-tokantranony noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreniny. Anisan’ireny ny fotsimbary 15 gony, siramamy roa gony, voamaina roa gony, menaka roa bidons, savony folo baoritra,  koba aina folo fosonosana ary vatomamy sy bisikoitra sy ronono. Tsy adinony ihany koa nandritra izany ny nanolotra tafo miisa 96 entina hanatsarana ireo efa simba ho fanohanana ny sekoly amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT