Nahazo efitrano roa vaovao ny sekoly ambaratonga fototra etsy Ambatolampy Antehiroka, kaominina Antehiroka. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, fanomezana avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena niampy dabilio vaovao miisa 75.
Ny efitrano iray amin’ireo dia nasolo ny trano famakiam-boky, izay lasa natao cantine ankehitriny. Ny faharoa kosa dia natokana ho an’ireo ankizy vao niditra nianatra, na ny préscolaire, izay vao nanomboka nosokafan’ity sekoly ambaratonga fototra iray ity tamin’ity taom-pianarana ity, araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly, Soloniaina Onjanirina. Nambaran’Andriamampandry Todisoa, tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena nandritra ny lanonana fa tafatsangana eo anivon’ity sekoly ity ihany koa manomboka izao ny sekolin’ny ray aman-dreny. Sekoly ambaratonga fototra miisa efatra eto an-drenivohitra no efa manana azy miampy ny iray ao SAVA entina hanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny ankizy, hoy izy satria tsy vitan’ny mpanabe irery ny fanabeazana. Na izany aza dia mbola fanirian’ny talen-tsekoly ny hanohizana ny asa fanitarana. Miisa 393 ireo mpianatra manovo fahalalana eo anivon’ny EPP Ambatolampy Antehiroka ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.