Mahatratra 250.000 ha isan-taona ny hazo ripaka vokatry ny fanamboarana harina eto amintsika, raha araka ny fantatra raha 9.000.000 ha ny tany rakotra ala amin’izao fotoana izao.
Raha mitohy ny fandripahana ny ala dia hihasimba hatrany ny tontolo iainana, saribao izay fantatra ihany koa fa manoatra noho ny mifoka sigara roa fonosana isan’andro ny olona miaina miaraka aminy anatina toerana mihidy raha mamono olona miisa 800.000 amin’ny 2,4 tapitrisa isan-taona maneran-tany, indrindra fa ny zaza any am-bohoka. Nisongadina ireo nandritra ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Vitogaz tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambaran’ny tompon’andraikitra voalohany ao aminy Andriamatoa Vincent Fleury fa miezaka hatrany ny orinasa tantaniny amin’izao fotoana izao miaro ny tontolo iainana sy mampahafantatra ny voka-dratsin’ny fampiasana saribao amin’ny fahasalaman’ny mponina ho tombontsoan’ny rehetra. Ny olana anefa hoy izy hatramin’ny taona 2004 no ho mankany dia misy hatrany ny TVA alain’ny fanjakana amin’izy ireo raha tokony hampiana aza izy satria mampirisika ny olona hampiasa etona fandrehitra madio ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny fahasalamam-bahoaka. Hankalaza ny faha-15 taona niorenany ny orinasa amin’ity taona 2016 ity. Fanomezana fihenam-bidy 5 % ho an’ny mpanjifa no hisantarany izany manomboka ny sabotsy ho avy izao. Mbola ny antsasaky ny olona mampiasa saribao moa no mampiasa gaz eto amintsika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.