Actualités

Entana simba Vary 5.700 gony no tratra tany Tolagnaro


  • Sabotsy 17 Desambra 2016

Fotoana fanararaotan’ireo olona mpivarotra entana lany daty ny ankatoky ny fety tahaka izao. Saika mirona amin’ny fividianana azy ireny avokoa mantsy ny ankamaroan’ny mponina, indrindra fa ireo moramora vidy hahafahana manao fety sambatra toy ny rehetra.

Raha araka ny fanazavan-dRandrianarisoa Valonirina, talen’ny fisorohana ny hosoka sy ny fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny minisiteran’ny varotra tamin’ny mpanao gazety omaly dia tena misy tokoa ireo entana lany daty miparitaka eny an-tsena amin’izao fotoana izao saingy tsy betsaka. Nosinganiny manokana tamin’izany ny bisikoitra. Na izany aza anefa dia nambarany fa tsy mitsahatra ny manara-maso azy ireny ny minisitera izay misy ekipa folo isan’andro midina mitety ireo tsena lehibe eto an-drenivohitra, ahitana olona roa isanisany raha kely indrindra. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa vary efa simba 5700 lasaka no tratra tany Tolagnaro  ny 06 desambra lasa teo vao avy nampidinina tao anaty sambo ka ny telo kaontenera efa tany amin’ny toerana fitobian’entan’ilay tera-tany Pakistanais tompony raha mbola tao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala kosa ny roa kaontenera ambiny. Efa eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy mikasika ity vary simba tratra ity izy ireo ankehitriny raha araka ny nambarany ihany na dia efa be dia be aza ireo mpanelanelana miantso azy toy ny mpanao politika, ny teratany vahiny sy ny Malagasy. Ankoatra izay moa dia sary dimy kaontenera efa simba ihany koa no tra-tehaka ao Toamasina amin’izao fotoana izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT