Actualités

Entana ilaina andavanandro Hiaka-bidy hiarovana ny orinasa Malagasy


  • Alakamisy 06 Novambra 2014

Variana mitsinjo ny mpandraharaha Malagasy loatra angamba ny fanjakana ka tsy mahita ny akony ratsy eny anivon’ny fiarahamonina amin’ny fepetra noraisiny ao anatin’ny drafitra tetibolam-panjakana 2015.

Voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola amin’ny taona ho avy tokoa mantsy ny fampiakarana ny haban-tseranana amin’ireo ampahana entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny lafarinina sy siramamy. Hitombo 10% ohatra ny vola takiana amin’ny fampidirana ireo karazam-bokatra roa ireo raha 5% izany ankehitriny. Noho ny fangatahan’ny orinasa mpamokatra savony iray eto an-toerana ary neken’ny minisiteran’ny Indostria koa no nampisondrotana ho 5% ny haban-tseranana aloa eo amin’io vokatra iray io. Ny fiarovana ny taozava-baventy malagasy moa no antony nandraisana ireo fanapahan-kevitra ireo, araka ny fanazavana. Natao izany hisorohana manokana ny filazana hosoka hampalefaka ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana avy amin’ireo mpandraharaha mpanararaotra. Tsara ilay fomba fijery saingy na tiana na tsy tiana dia hitarika ny fiakaran’ireo entana fampiasan’ny mponina andavanandro io fiakaran’ny haban-tseranana io. Ahiana hihoatra ilay 7,1% ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ny taona 2015 raha mbola ampiharina eto Madagasikara ihany koa ny vidin-tsolika tena izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT