Actualités

ENS Ampefiloha Vita hatreo ny amin’ny CAPEN


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Hiditra tanteraka amin’ny fampiharana ny rafitra LMD amin’izay ny sekoly ambony Ecole Normale Supérieur manomboka izao.

 

 Tapitra amin’ny  volana desambra ho avy izao ny fanomezana ny mari-pahaizana CAPEN (Cértificat d’Aptitude Pedagogique de l’Ecole Normale)fa tsy maintsy ny mari-pahaizana Licence, Master ary doctorat amin’izay no  omena ny mpianatra. Ankoatra izay dia horaisina ho mpiasam-panjakana avy hatrany ihany koa izay mpianatra mivoaka avy ao amin’ny  fiaraha-miasa vaovao natolotry ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena  entina hanampiana  mpianatra. Fantatra izany omaly nandritra ny fanokafana ilay hetsika  herinandron’ny ENS Ampefiloha amin’ny alalan’ny varavarana misokatra entina hampahafantarana ireo mpianatra vao avy niatrika ny fanadinana Bakalôrea ireo karazana  lalam-piofanana misy ao aminy. Misy ny taranjam-pampianarana rehetra ao amin’ny ENS, hoy Ranambelona Henriette, lehiben’ny sekoly. Mpianatra afaka baka vonona hampianatra eny anivon’ny CEG sy lycée no raisiny amin’izany hampita ny  taranja Frantsay, Malagasy, Anglisy, SVT, ny Mathématique … amin’ny mpianatra. Mpianatra 30 na 40 isa isan-taona isaky ny lalam-piofanana iray no raisiny amin’izany. Mampiavaka ny mpianatra havoakany ny fahaizan’izy ireo mifehy ny hay fampianarana izay fototra omen’ny mpampianatra, hoy hatrany ny fanazavana. Nisy ny lanonana notanterahina mifandraika amin’izany. Ny indro kely dia ny fisian’ireo mpangalatra tafiditra tao amin’ity ivontoerana ity ka nahaverezana fitaovana maro toy ny finday sy ny pôketra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT