Nifoha tamin’ny torimasony koa ny antoko UNDD ka nambaran’Atoa Emmanuel Rakotovahiny fa eo am-panaovana fanisana vaovao ny mpikambana manerana ny Nosy ry zareo ankehitriny, Antsiranana, Toamasina, Toliara, Fianarantsoa, mba hahafahana miatrika ny fifidianana ho avy
. Nambarany mazava koa fa na dia tsy heno firy loatra aza ny tenany tao ho ao dia mbola izy aloha hatreto no filoha mpitarika ity antoko anisan’ny lehibe tamin’ny fotoanandrony ity. Aminay , hoy izy, dia ny fahaizantsika Malagasy miray hina no hahafahantsika manatanteraka ny fampihavanam-pirenena ka tokony hampanginina tanteraka ny hevitry ny tena manokana. Mila mampitovy tadin-dokanga ho feo tokana isika mba hisian’izany fampihavanana izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.