Ho fikojakojana indray ireo fiaramanidina sy angidim-by ampiasain’ny tafika malagasy izay avy any Rosia ny ankamaroany dia tonga nanolotra tolo-bidy amin’ny mety ho saran’ny fanarenana sy ny
fanoloana ireo mpiesy simba teny anivon’ny fiadidiana ny praiminisitra teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo omaly ny masoivohon’ny federasionan’i Rosia Atoa Stanislav Anvarovich Ahkmedov eto Madagasikara. Tena miasa be eto amintsika ny angidim-by rosianina ka izany no antony nandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fanamboarana azy ireo, hoy ny praiminisitra izay mpanamory fiaramanidina niofana tany Rosia rahateo. Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny roa tonta koa ny momba ny fikojakojana indray ireo fiaramanidina novidian’i Madagasikara tamin’i Rosia ka anisan’izany ny Antonov 26. Ankoatra ny fikojakojana ara-mekanika samihafa ihany koa dia nohararaotin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny nanatsidihana resaka momba ny fanofanana indray ireo mpanamory Malagasy. Efa fotoana ela ihany mantsy no nisidinan’ny fiaramanidina rosianina ny lanitr’i Gasikara izay ka ilana ny fiofanana kely mba haharahan’ireo mpanamory malagasy izay maro be no nianatra tany Rosia ny fivoaran’ny teknolojia. Tsy mbola voafaritra kosa na ny isan’ny fiaramanidina hasiana fanamboarana na ny sora-bola hatokana ho amin’izany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.