Herinandro latsaka kely izay no nisian’ny eklipsa teto amintsika saingy tsy nitondra na inona na inona ho an’ny firenena izany tamin’ny ankapobeny.
Efa an-taonany no fantatra fa hisy takomasoandro hitranga teto, izay nahafahana nanomana ny fiatrehana izany. Azon’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fahasalamana natao ny nampanao fifaninanana sy nanome vahana ireo mpikaroka Malagasy na teo amin’ny fandraisana ny fahatongavan’iny tranga iny na teo amin’ny lafiny ara-tsiantifika mba ho rakitra sy tantara saingy zavatra tandrametaka no nisy. Tokony ho nisy ny fanentanana sy ny hetsika nasionaly tamin’ny resaka fiarovana ny maso izay hita ho nohamaivanin’ny minisiteran’ny fahasalamana. Na ny solomaso aza nohafarana avy any ivelany kanefa azo inoana fa tsy ho sarotra tamin’ny manampahaizana Malagasy no nanao fikarohana momba izany, sady namorona asa. Nahabe resaka rahateo ireo solomaso eklipsa naparitaka teto, fa toa bizina no betsaka.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.