Actualités

Eklipsa 1 septambra 2016 Hihidy aman-trano ny tambanivohitra


  • Zoma 26 Aogositra 2016

Andro sisa isaina dia higadona ny datin’ny 1 septambra 2016 fotoana voatondro, hitrangan'ny fifanandrifian’ny tany sy ny volana ka mahatakona ny masoandro.

 

Toa tsy mampiraika ny fiarahamonina anefa izany. Manimba maso ny fijerena mivantana io tranga io. Misy ny solomaso manokana tsy maintsy anaovana raha hizaha ny fivoaran’ny eklipsa. Nanapa-kevitra anefa ny Fanjakana fa amidy ary 1500Ar vidin’ny solomaso iray ahafahana mijery io tranga io. Ho takatry ny fahafahamividin’ny rehetra ve anefa izany, indrindra fa ny tantsaha eny Ambanivohitra izay ny 80%-n’ny Malagasy ? Mba tody any ambanivohitr’i Kandreho, Ankavandra, Tsaratanana, ... any ve anefa izany solomaso izany ? Manodidina ny 6 amin’ny ankapobeny ny olona ao anatin’ny tokantrano iray eny ambanivohitra. Raha hatao ny kajikajy, 9 000Ar izany no tsy maintsy aloan’ny tokantrano iray kanefa ny tahiry ao anatin’ny iray volana aza mety tsy ho ampy antsasak’izany. Raha mba misy koa anefa ny afaka hividy, tsy hahasahana ny Malagasy 22 tapitrisa ny solomaso misy fa 1.500.000 no vonona, izay notsotsorina fotsiny hoe solomaso iray ho an’ny olona 10 ka renivohitra vitsivitsy no tena nanaparitahana azy. Amin’ny 4 oktobra 2070 indray vao hisy tranga toy ity hiseho amin’ny 1 septambra ity. Tsy afaka ny hisitraka izany anefa ny ankjamaroan’ny Malagasy. Niangarana ny mponina an-tanàn-dehibe, voatery hihidy aman-trano kosa ny tambanivohitra raha tsy te harary.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT