Actualités

Eklipsa 1 septambra 1500 Ar raha tsy te ho jamba


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2016

Higadona afaka hateloana ny eklipsa, ilay fanakonan’ny volana ny masoandro. Tsy ho diso anjara amin’io i Madagasikara.

 Tranga tsy manampaharoa io, tsy hiverina raha tsy amin’ny 4 oktobra 2070 indray. Vitsy amin’ny Malagasy miaina amin’izao fotoana izao no mety hahatratra izany. Mahajamba ny fibanjinana ny eklipsa, ilàna solomaso manokana ny fijerena azy. Ny mahagaga dia tsy rototra amin’ny fividianana azy io ny olona, na eo asa ny fanentanana amin’ny haino aman-jery sy ny hetsika ankalamanjana toy ny tetsy amin’ny manoloana ny vavahadiben’i Mahamasina ny sabotsy teo. Noho ny vidiny 1500 Ariary sa noho ny havitsian’ny faritra tena mahita io fanakona-masoandro io eto Madagasikara ? Ireo tanàna eo anelanelan’i Mahajanga toy ny any Marovoay, Soalala, Ankarafantsika … mahitsy toratady mipaka any Toamasina ihany mantsy no tena misongadina ny eklipsa amin’ity.

Tsy eto an-drenivohitra ihany, fa hatrany Sambava sy ireo tanàna any SAVA, no tsy dia rototra firy amin'ny fividianana solomaso manokana hijerena eklipsa ny olona na dia efa tonga ny tolakandron’ny alakamisy teo aza ny anjara solomaso ho an’i SAVA izay miisa 20.000 eo. Nitsidika tany SAVA nanentana ny vahoaka hanao solomaso manokana rahateo ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Dr Ratsirarson Joséa, raha hijery eklipsa. Nambarany fa « tena mahajamba raha tsy misy solomaso ny fibanjinana ny eklipsa ». « 1500 Ar no hiarovana ny masontsika tsy ho jamba », hoy izy. Nampitandrina i Dr Ratsirarson Joséa fa sarotiny ny minisitera amin'ireo izay mety halaim-panahy hanao solomaso hosoka satria efa nisy ny tratra nanao izany.

Jean D.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT