Actualités

Eddy Boaderzy Misy mitady hamono...


  • Talata 05 Martsa 2019

Io fa nandeha ny ampamoaka momba ny raharaha Eddy Maminirina. Nisy nidilatra ny resaka fanadihadiana sy famotorana, hany ka nivoaka ny resaka mombana manamboninahitra jeneraly, mpikambana ao anatin’ny governemanta.

 

 

 Notonin’i Eddy Maminirina ho mpiaro azy io olona io, ary efa nomeny fanomezana maro toy ny fiara tsy mataho-dàlana Toyota Prado, ary mety ho avy aminy no nahavitany trano teny Ambohitrarahaba sy Ambohimanga, hoy hatrany ny vaovao an-gazety omaly. Hiitatra any amin’io minisitra am-perinasa io ary ve ny fanadihadiana ? Hatry ny ela no niresahana fa tsy nahavita samirery ny aferany teto i Eddy Maminirina. Tsy nody an-tanindrazana velively raha tsy efa nisy mpitondra na manam-pahefana nanome toky azy, fa tsy hisy ny fanenjehana. Ho hita eo ny afitsoky ny fanjakana Rajoelina satria ireny naseho niparibary hitam-poko hitam-pirenena ireny ny fisamborana olona ambara sy ahiana no nanao kolikoly tahaka an’i Mbola Rajaonah? Nivoaka ny resaka Mahafaly Solonandrasana Olivier,… ka asa na mba ho sahy hamoaka ny anaran’ny namany voatonontonona amina raharaha maloto ny fanjakana na hifampiaro ao. Efa nanao ampamoaka aloha izany i Eddy Maminirina, ka asa na holazaina ho lasa adala tahaka ny natao an’i Kolonely Charles Andrianasoavina rehefa nijoro vavolombelona fa tena fanonganam-panjakana no natao azy ireo tamin’ny 2009. Asa aloha na hizaka irery ny heloka niaraha-nanao I Eddy Maminirina na mbola hisy ny fisamborana ny hafa. Depiote iray niara-dia tamin’ny fitondrana HVM ary efa namadika palitao niaraka tamin’ny MAPAR no isan’ny voatonontonona. Raha mandeha ny fisamborana ireo mety ho mpiray tendro hafa, dia vao mainka hivoaka ihany ny resaka ka mety izay no hampitarazoana azy. Mazava fa i Eddy Maminirina ihany hatreto no mizioga ny heloka mety niaraha-nanao, ka raha ny politika maloto eto amin’ny firenena dia ahiana ny mety ho fifofoana ny ainy na ankolaka na mivantana mba tsy hivoahan’ny tena marina. Asa izay hiseho miandry ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

Hijery ny tohiny
FTT