Actualités

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara


  • Zoma 06 Desambra 2019

Dimy taona sazy mihatra ao Tsiafahy ary lamandy roa miliara ariary. Izay no sazy azon’i Eddy Maminirina na « Eddy Boaderozy » noho ny aferana boaderozy anenjehana azy.

 

 

Ny alarobia teo no notontosaina tetsy Anosy ny fitsaràna ary ny fitsaràna manokana misahana ny ady amin’ny fanondranana hazo sarobidy no nanatontosa an’izany. Namoahana didy fampisamborana kosa ny vadiny Laurencia Hantavololona. Io farany izay efa tsy hita nandritry ny fotoana maromaro na dia efa namoahana didy fampisamborana toa io koa aza. Re siosio fa efa tsy eto Madagasikara intsony. Ny mpiasan’ny minisiteran’ny tontolo iainana tamin’ny 2014, izay misy ny talen’ny kabinetra sy ny mpanolon-tsaina teknikan’ny minisitra tamin’izany dia nahazo fahafahana noho ny fisalasalàna. Aferana boaderozy sy kolikoly no vesatra hitazonana an’i Eddy Maminirina, izay nosamborina tao anatin’izao fanjakana Rajoelina izao. Tsy vitan'olona iray monja izany afera avo lenta izany. Tena mahafantatra zavatra maro izy, ary mety manana anarana maro azo omena ny fitsarana. Matoa sahy raha tena nanao tokoa dia nanana antoka fa hisy mpiaro foana. Nanomboka tamin’ny tetezamita no nirongatra ny trafika sy ny kolikoly tena henjana teto Madagasikara, ka raha laharana faha-84 isika ny taona 2008 tamin’ny filaharana amin’ny resaka kolikoly, dia taty amin’ny faha-127 taty amin’ny fiarafaran’ny tetezamita, ary faha-152 ankehitriny. Anisan’ny mason-tsivana ilain’ny mpamatsy vola ny resaka ady amin’ny kolikoly. Pimaso atao amin’ny mpamatsy vola io fanenjehana io hanehoana fa misy ny fanjakana tsara tantana eto. Afera maro anefa no mbola mampametra-panontaniana, toy ny tamin’ny taona 2015, nisiana volabe tamin’ny baoritra tratra nentina depiote iray, ny raharaha fifanarahana voalaza fa nataona minisitry ny jono iray teo aloha izay malaza ho nifampiraharaha tamin’ny sinoa ka nahazoany vola amina miliara maro tamin’ny resaka famelana sambo hanjono taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara,… Ireo nanankarena tampoka tato anatin'ny 10 taona, indrindra fa ireo nanana fahefana teto amin’ny firenena dia tokony hohadihadiana lalina.  Hanomboka ny 15 desambra, dia efa hisy an’ilay hoe hafainganina koa ny fitsarana fa be loatra ny fampidirana am-ponja. Tsy maintsy hipoitra tsy ho ela ireo mety mpiray tendro amin’I Eddy Maminirina, ary mbola maro no mety hanara-dia azy, raha mivelatra ny fanenjehana momba ity raharaha ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT