Actualités

ECCOVA Nahavita ny fanadinana ara-panjakana ny mpianatra


  • Zoma 19 Mey 2017

Toy ny fanaony isan-taona dia nahavita ny fanadinana ara-panjakana andiany faharoa tamin’ity taona 2017 ireo mpianatra eo anivon’ny Ecole de Coupe et Couture Volana.

Omaly no nifarana ny fampiharana ka ny fampijoroana ny akanjo tohin-tena no nanadinana ny mpianatra. Sambany no  nandray anjara ireo mpianatry ny Eccova Antalaha sy Nosy be sekoly vao nisokatra tamin’ity taona 2016 ity. Nambaran-dRazanamanalina Volana, filoha mpanorina ny sekoly  fa tena  nahafa-po ny vokatra azo. Nahatratra 380 isa  mantsy ireo mpianatra nandray anjara manerana ny Nosy. Ny 23 jona ho avy izao no havoaka amim-pomba ofisialy ireo mpianatra eto Antananarivo izay hitohy any amin’ny Faritra avy hatrany.  Efa miomana tanteraka amin’ny  “cours de vacance” izy ireo izay hiditra amin’ny volana jolay ho avy izao.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT