Velon-taraina ny amin’ny fomba fiasan’ny Easy Park tanteraka ireo tompona fiara mampiasa parking eny amin’iny faritra Antaninarenina iny amin’izao fotoana.
Araka ny fitarainana voaray dia 500 Ar, hofana parking ao anatin’ny ora iray avokoa no alaina amin’ireo tompona fiara rehetra na dia 10 minitra monja aza izy no mijanona amina toerana iray. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpanome ticket eny an-toerana dia tsy manome 30 minitra toy ny teo aloha intsony izy ireo, indrindra fa ho an’ireo tsy manana karatra. Mihena mantsy ny versement-n’izy ireo raha vao manome izany izy, hoy ny fanazavana noho ny resaka vola madinika 50 Ar eo an-daniny izay tsy aterin’ireo tompona fiara sasany satria tsy misy madinika na tsy manome mihitsy izy ireo raha tsy maintsy averina an-kilany ny vola 9.500 Ar vola madinika entin’izy ireo miainga any amin’ny Easy Park isa-maraina. Nanambara moa ireto mpanome ticket mpiambina ny parking an’ny Easy Park etsy Antaninarenina ireto fa efa miezaka ny manazava izany hatrany amin’ny mpanjifa izy ireo saingy misy hatrany ny vaovao. Ilana fandaminana amin’ny fiaraha-miasa ny tahaka izao. Tsy voatery hijanona maharitra amina toerana iray mantsy ny fiara iray izay fotoana laniny ihany no tokony haloany fa tsy terena handoa vola ambonin’io izy. Mila fahamatorana ny asa tahaka itony mba hisorohana ny fifamaliana sy fifandirana mety hitarika zavatra hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.