Actualités

DREN Vakinankaratra Naka ny toerany Rakotosalama Zefa Arisoa


  • Talata 21 Oktobra 2014

Vitatamin’ny herinandro lasa teo ny famindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Atoa Rakotomalala Andriamihaja sy ny vaovao Atoa Rakotosalama Zefa Arisoa.

Tamim-piralahiana tanteraka no nanaovana izany, izay natrehan’ny tompon’andraikitra avy any amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mihitsy izany. Raha ny nambaran’ny Tale vaovao , izay vahiny amin’ity andraikitra horaisiny ity satria dia anisan’ireo ekipan’ny Tale teo aloha ihany ny tenany dia ny hamerina ny tena hasin’ny fanabeazana no tanjony mba ho fampandrosoana tanteraka izany, hamerina ihany koa ny lafiny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny mpiasa sy ny mpianatra mba hozariny ho tan-dalàna ny rehetra, hoy izy. Nambarany fa hotombanana ihany koa ny andraikitry ny tsirairay mialoha ny mety hisian’ny famindran-toerana ireo tompon’andraikitra.Tanjona ho azy moa ny ahazoana vokatra tsara hatrany ho an’ny DREN Vakinankaratra ka ny ho filamatra hatrany amin’ireo Dren eran’i Madagasikara no tanjony.



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT