Actualités

Drafi-pampandrosoana an’Ambohimanarina Harafitra ho boky dia hatolotra ny mpamatsy vola


  • Sabotsy 17 Septambra 2016

Miroso hatrany amin’ny famolavolana ilay drafitra fampandrosoana an’Ambohimanarina amin’izao fotoana izao ny sefom-pokontany 31 ao anatin’ny Boriborintany fahenina otronin’ny solontenan’ny zokiolona sy ny vehivavy ary ny mpamboly miaraka amin-dRaherisoa Vololona,

solombavambahoaka voafidy ao an-toerana. Tanjona ny hahafahana mamaly ny filan’ny mponina eny ifotony ho tombontsoan’ny rehetra. Hanatanteraka fivoriana entina handinihina ity drafitra ity izy ireo ny 22 septambra ho avy izao, hijerena ny mety sy ny tsy mety mialoha ny handrafetana azy ho boky ary hatolotra ny mpamatsy vola. Betsaka ireo hetahetan’ny mponina raha araka ny fanazavan-dRamatoa solombavambahoaka. Anisan’ireny ny fananganana ireo fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny tsirairay toy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fananganana fikambanam-behivavy…Mikasika ny lafiny ara-tsosialy kosa indray dia nanambara izy fa mitohy hatrany izany ho an’Ambohimanarina izay ezahina hipaka eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy mihitsy.  Anisan’ireny ny fizarana sakafo maimaimpoana isan-kerinandro ho an’ireo zaza marefo eny anivon’ny fokontany arahin’ny fampianarana ny reny ny fomba fahandroana sakafo ara-pahasalamana, mora vidy, maro loko, nefa feno otrikaina.

Pati                  


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT