Actualités

Dr Stefan Suter


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Dimy taona nanaovana asa soa tany Atsimo. Dimy taona nilonana tao anatin’ny asa soa tany amin’ny faritra atsimo ny Dr STEFAN SUTER. Teratany Soisa ny tenany ary efa ela no naniry ny hanampy ny vahoaka Malagasy.

Tsiahivina fa tamin’ny taona 2009 no tonga teto Madagasikara ny tenany noho ny fahatsapana fa iny faritra atsimo iny dia faritra miaina ao anatin’ny tsy fanjariana na ara-tsakafo na ara-piarahamonina, indrindra fa ny tsy fandriampahalemana satria faritra tena mbola anjakan’ny asan-dahalo tanteraka. Araka izany dia nisafidy ny hanampy ireo mponina any an-toerana ny tenany ka nisy ny fananganana trano sekoly sy toeram-pitsaboana mba hanampiana ireo sahirana sy resin’ ny fiainana. Eo ihany koa ny fananganana trano fitsaboana, indrindra fa ho an’ireo sembana ara-batana. Ankehitriny fantatra fa dia nanitatra ny ivontoeram-piasany manerana ny faritra atsimo iny ny tenany, anisan’izany ny ao Beraketa sy Isoanala. Nisy omaly ny fanolorana  mari-boninahitra”chevalier de l’ordre de merite” an’ity mpanao asa soa any amin’ny faritra atsimo ity ka ny minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka no nanome izany teny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy.

Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT