Niakatra Filan-kevitry ny fitsipi-pifehezana (CODIS) eo anivon’ny ministeran’ny asam-panjakana sy ny asa ary lalŕna sosialy teny amin’ny 67ha indray omaly i Dr Rakotomaharo Tsinjo, filohan’ny sendika SYMKAR eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra,
araka ny taratasy fitoriana nataon’ny Filohan’ny delegasiona manokana, izay mitady hirika ny handroahana an’ity mpitarika sendikaly ity eo anivon’ny Kaominina. Tsy niditra tany amin’ny votoatiny fa mbola teo amin’ny fombafomba fotsiny dia naharitra adin’ny telo ny fifandaharana omaly. Nahemotra ho amin’ny 2 oktobra 2015 ny tena votoatiny. Tsy maintsy misy fanapahan-kevitra eo, ary amin’io no hamaritra ny hoavin’ny Dr Rakotomaharo Tsinjo
ao amin’ny CUA. Nitombo an-dalana ny vesatra iampangana azy, raha 4 izany teo ampiandohana, nihena ho 3, dia izao lasa 9, fiampangana izay “tsy misy mitombina” raha ny filazany. Nivadika ho fankahalana an’ity tanora dokotera ny fijoroany nitarika ny mpiasan’ny Kaominina nanohitra ny fikasan’ny Fanjakana hizara enina an’Antananarivo renivohitra. Vao maika niitatra izany rehefa nanao mandatehezana niaraha tamin’ireo sendika telopolo mahery nanohana ireo mpitarika sendika teo anivon’ny Air Madagascar, notaritarisina teny amin’ny Fitsarana ny filohan’ny SYMKAR, dia izao ihazakazahana anaovana CODIS izao nefa mbola raharaha mandeha any amin’ny Fisafoana ny raharaham-panjakana. “Nangina aho tao anatin’izay roa volana izay fa tonga izao ny fotoana hitenenako” hoy i Dr Rakotomaharo Tsinjo, satria “tombontsoan’ny mpiasa sy ny Kaominina no nijoroanay”.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.