Nodimandry omaly alarobia 29 martsa maraina, ny filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), Dr Rakotomaharo Mahandriniaina Tsinjo Ismaela, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe : Dr Tsinjo.
Lozam-pifamoivoizana tamin’ny fiarakodia teny Fenoarivo atsimondrano no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Mbola tanora tokoa, satria 33 taona izy izao nopaohin’ny fahafatesana tampoka izao. Sendikalista anisan’ny mafana fo izy, ary sarotiny amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa, tsy tao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany fa rehefa mahakasika tombontsoan’ny mpiasa malagasy. Dokotera nivoaka teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo izy ary mpiofana andiany faha-13 tamin’ny programa Youth Leadership Training Program (YLTP) karakarain’ny Friedrich-Ebert-Stiftung. Namela mananontena sy kamboty iray i Dr Tsinjo izao nodimandry izao. Halevina rahampitso zoma 31 martsa eny amin’ny fasan-drazany eny Lohanosy, Ambohijanaka Gara ny vatana mangatsiakany, aorian’ny hanaovam-beloma farany azy hatao ao amin’ny FJKM Vontovorona Fanantenana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.