Actualités

Dr Rakotomaharo Tsinjo Nanohitra ny hizarazarana an’Antananarivo


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Misaona ny kaominina Antananarivo Renivohitra noho ny fahalasanan’ny filohan’ny sedinkan’ny mpiasan’ny kaominina, dokotera Rakotomaharo Tsinjo.

Natao veloma farany tetsy amin’ny fiangonana FLM 67 Ha avy eo dia nentina tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely nialoha ny nandevenana tetsy amin’ny fasandrazany etsy Lohanosy Ambohijanaka Gara. Fangatahan’ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo no nahatonga ny razana natao teo amin’ny tranompokonolona. Nahatsapa mantsy izy ireo fa nahavita soa sy  niady ary nitolona amin’ny fiarovana ny tanàna i dokotera Tsinjo nanoloana ny fikasan’ny mpitondra hizarana enina an’Antananarivo Renivohitra. Eo ihany koa ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpanolotsaina vadiny Marc Ravalomanana.


Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT