Ny vahiny no mbola manjaka amin’ny tontolon’ny banky eto Madagasikara. Na mety hisy fiantraikany kely amin’ny harinkarem-pirenena aza ny fisian’izy ireny dia mifototra betsaka amin’ny fitadiavana tombony ka tsy mampiova firy ny fari-piainan’ny Malagasy, mbola latsaky ny 10% n’ny Malagasy rahateo no manana petra-bola any amin’ny banky.
Manoloana izany dia nandroso soso-kevitra amin’ny tokony hananganana banky Malagasy ny Dr Jules Andriamaholison, Filohan’ny Sendikan’ny mpiasam-panjakana teo aloha. Zava-dehibe ny fananganana io banky io izay hafantoka betsaka amin’ny fanampiana ireo mpandraharaha Malagasy ary antoky ny fampiakarana ny harinkarem-pirenena, araka ny heviny. Afaka miara-misalahy amin’ny fananganana io banky io ireo orinasa matanjaka Malagasy izay afaka miantoka ny petra-bola amin’izany. Ny ankamaroan’ireo mpanam-bola sy mpandraharaha afaka ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara anefa dia tsy resy lahatra amin’izany. Mila tosika avy amin’ny fanjakana ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha izay tokony ho lohalaharana amin’ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena ary hiteraka asa ho an’ny mpiray tanindrazana.Manana banky azy manokana fa tsy miankina amin’ny hafa ireo firenena mandroso sy matanjaka rehetra, ary mora ho azy ny mifehy ny fikorinan’ny vola ao aminy amin’izany.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.