Actualités

Dr Andriamosarisoa Jean Anicet Mety amiko ny maha minisitry ny fanatanjahantena ahy


  • Zoma 04 Martsa 2016

Mandeha ny feo etsy sy eroa fa mety amin’i Dr Andriamosarisoa Jean Anicet minisitry ny tanora sy fanatanjahantena am-perinasa

 ny miofo ho minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka raha ho avy ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta manaraka. Raha namaly ny fanontaniana navantan’ny Tia Tanindrazana taminy izy mahakasika izany dia nanambara mazava fa miankina amin’ny filoham-pirenena sy avy amin’ny tolo-kevitry ny praiminisitra izany fa tsy miankina aminy velively. Fantatro, hoy izy, ny ao an-tsain’ny olona amin’ny maha mpanakanto ahy dia mety hahavaha haingana ny olana mianjady amin’ny mpanakanto ankehitriny. Marihiko anefa fa tsy resaka zava-kanto fotsiny no jerena ao amin’ny kolontsaina fa misy zava-maro izay mety tsy voafehiko firy ka mety hiteraka olana hafa indray. Amiko aloha izao dia mety amiko tsara ny toerana maha-minisitry ny fanatanjahantena ahy, hoy izy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT