Izay tsikera tsy mahazo ny filoha amerikanina vaovao, Donald Trump, amin’izao fotoana izao no manenina. Ankoatry ny laza ho mivatambatam-piteny sy fihetsika izay efa nahafantarana azy fony mbola tsy kandida akory, nisy aza moa ny tsikera nandeha fa boto-fiaina mihitsy ity tompon’ny trano fotsy vaovao ity dia mitombo indray amin’izao fotoana izao ny vesatra hanenjehan’ny ankolafy isan-karazany ity filoha ity.
Ny faran’ny herinandro teo dia heno fa hisy hitory fa nanolana adolantseto vao 13 taona monja ny tenany ary mbola mitohy ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanelezana ny metry ho fisian’ny hosoka nandritry ny fifidianana filoham-pirenena tao etazonia ka nahalany ity kandida repoblikanina ity. Isan’ny manitrikitrika sy mitaky izany ankehitriny ny filoha teo aloha Barack Obama ary na dia milaza aza ny tenany fa tsy midika ho fitakiana ny famerenana aza izany fihetsiny izany dia azo lazaina ho ratsy fanombohana na tsy mari-toerana mihitsy sahady aza ny filoha Donald Trump satria raha ny tombatombana sy ny fanadihadiana efa vita rehetra aloha dia mizotra any amin’izay mety ho fahamarinan’ny fisian’ny hosoka tamin’ny fifidianana izay tokoa ary mety hahadifotra sy hanosika ny tanan’ity filoha ity hanao sonia ny fametraham-pialany mialohan’ny fotoana. Nitovitovy amin’izao, eny mbola maivana kokoa aza, ny nanjo ny filoha Bill Clinton tamin’ny fotoan’androny, raha tratran’ireo paparazi fa nangalam-pitia tamin’ny mpiara-miasa taminy, Monica Lewinski. Asa ny eto amintsika, inona re no mba mety ho henatra hahatonga azy ireo hanaja tena hametra-pialana fa ny zava-misy hatreto aloha dia na efa miharihary izao aza ny fahafaham-baraka sy ny karazana tsy fahombiazana miseho lany, ny hita dia ny fidongiana seza hatrany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.