Actualités

Domaine sy Topo – Anosy Niveri-maina ireo mpikarakara taratasy


  • Zoma 02 Septambra 2016

Betsaka ireo olona nikarakara taratasy tetsy amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany Anosy no niveri-maina omaly.

Betsaka tamin’ireo mpiasa mantsy no nody tamin’ny 10 ora sy sasany maraina, ora firavana, araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta noho ny fandalovan’ny eklipsa ka tsy nandray olona intsony ankoatra ireo tsy tonga namonjy birao mihitsy. Vao tamin’ny 7 ora sy sasany maraina anefa dia efa betsaka ireo tonga nilahatra teny an-toerana, indrindra fa ireo avy lavitra. Nisy ireo efa nahazo “rendez-vous” manokana. Nisy ihany koa ireo avy lavitra, tsy nahalala mihitsy fa tsy fiasana omaly, noho ny tsy fahafahany manara-baovao ka nandany sarandalana hatrany amin’ny 6.000 Ar mandroso sy miverina sady lany fotoana. Nisy ampahany tamin’ireo mpiasa ihany anefa no niasa hatramin’ny hariva io omaly alakamisy io saingy tao amin’ny biraony fotsiny fa tsy nandray olona.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT