Tsy mbola miova fo ny dahalo any amin地y distrikan� Ambovombe Androy, fa vao mainka masiaka amin段zao. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia mpitsabo iray nandeha moto no maty tsy tra-drano novonoin地y dahalo tamin地y fomba feno habibiana teny an-dalana, ny fiandohan段ty herinandro ity, tao Ampamata, kaominina Antanimora Atsimo. Noho ny firongatry ny asan-dahalo indray tato ho ato mahazo laka amina kaominina maromaro any amin地y distrikan� Ambovombe Androy, indrindra ny manamorona ny RN13, dia miaina ao anaty horohoro tanteraka ny vahoaka.
Mihorohoro indray ny vahoaka
Manampy trotraka izany ny fihetsik’ireo mpitandro filaminana sasany tia vola diso tafahoatra miray tendro amin’ny olon-dratsy. Tsy miaro ny vahoaka sy ny fananany intsony ireto ampahana bebaoty tsy maty voalavo an-kibo ireto fa mambotry ny mpiara-belona, ka hanairana ny sain’ny mpitondra, hoy ny solontenan’ireo mponina ao Antanimora nitafa taminay. Nambaran’ny raiamandreny iray mpitan-kazomanga (to teny) fa vitsy amin’ireo lazaina Dahalo Niova Fo ihany no tena malaso, fa olona nitsoa-ponenana ka niala lavitra ny tanàna misy azy ireo.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.