Fantatra, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana fa nosamborin’ny zandarimariam-pirenena any Betroka afak’omaly sabotsy 11 mey 2019 ny delegem-panjakana any an-toerana noho ny fanaovana hosoka taratasin’omby “FIB”.
Nanamarika io vaovao io fa saika omby halatra avokoa no voasoratra tao anatin’ny FIB nokarakarain’ity tompon’andraiki-panjakana ity izao nisamborana azy izao. Efa im-betsaka ihany izy io no voarohirohy tamin’ny raharaha fanaovana taratasin’omby hosoka saingy nahagaga fa afaka madiodio hatrany afa-tsy tamin’ny sabotsy. Fantatra ihany koa fa anisan’ny olom-panjakana manohana an-kitsirano kandidam-panjakana “mitonona ho mpanohana ny mpitondra ankehitriny” izy ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.