Actualités

Distrikan’Ambatondrazaka Olana be ny famoaham-bokatra


  • Alarobia 10 Aprily 2019

Mampikaikaika ny vahoaka ny fahapotehan’ny lalam-pirenena faha-44 ary sahirana ny tantsaha amin’ny famoaham-bokatra.

 Tokony handraisan’ny fanjakana andraikitra haingana satria mitotongana ny fari-piainan’ny mponina. Ankoatra izay dia manjaka ny tsy fandriampahalemana ary tsizarizary ny sehatra fampianarana. Ilaina ny fijerena ifotony ny olana mianjady ny vahoaka any Ambatondrazaka, hoy ny kandida depiote avy any amin’iny faritra iny, Ramatoa Anja Malala Akon’Alaotra. Iaraha-mahalala fa sompitr’i Madagasikara any amin’iny faritra iny ary saika tantsaha ny maro an’isa. Tokony hatao vaindohan-draharaha ihany koa, hoy izy ny fampidirana rano sy vovo amin’ireo kaominina  maro tsy manana izany. Tsy hiandrasana ny hafa ny asa fampandrosoana fa ny rehetra afaka manao ny tandrify azy ary tena ilaina ny vehivavy mandray andraikitra, hoy hatrany izy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT