Actualités

Distrikan’i Mahajanga II Potiky ny rivodoza Chedza i Mahajamba


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Anisan’ny nitondra takaitra noho ny fandalovan’ny rivodoza Chedza koa ny any amin’ny kaominin’i Mahajamba ao amin’ny distrikan’i Mahajanga faha-II. Vaky noho ny fijojon’ny orana hatramin’ny 18 janoary teo ny fefilohan’ny reniranon’i Mahajamba ka niakatra ny rano amin’ny fokontany maro manodidina ity kaominina ity

 : Mahajamba-Usine, Ambodipamba sy Amboanio. Simba hatramion’ny velaran-tanimbary fotory ny toekarena any an-toerana ihany koa, hoy ny tarainan’ny mponina. Tsy nisy niangana ny vokatra tamin’ny velaran-tanimbary maherin’ny 2 000 ha sy ny ketsa tamin’ny  500 ha  tratry ny rano. Manao antso avo amin’ny mpitondra mahefa araka izany ny ben’ny tanàna, Randrianandrasana Henri, mba hanarenana haingana  ny fefiloha 7 km miaro an’ity reniranon’i Mahajamba ity.  Efa mivonona amin’izay mety ho anjara tandrify azy amin’ny fanarenana hatao ny fokonolona ao amin’ny fokontany Mahajamba-Usine, voakasika mivantana. Marihina fa efa nandefa iraka nanatitra fanampiana ara-tsakafo sy kojakojan-dakozia, ambioka sy zezika hatramin’ny  fitaovam-pianarana ny avy amin’ny UNICEF niainga avy amin’ny Faritra Boeny. Natokana  ho an’ireo traboina 2.500 ao Mahajamba ny fanampiana voaray. Efa tazana nijery ny simba tany an-toerana koa ny FID ao Mahajanga ary efa nahatonga fanampiana vonjy taitra any amin’ny kaominina Mahajamba ihany koa ny sampandraharaham-pirenena misahana ny fitantanana ny vokatry ny loza voajanahary (BNGRC) ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT