Hoentina mamongotra ny asa-dahalo any atsimon’i Madagasikara dia haverna indray ny “opération” toy ny efa natao tamin’ny taon-dasa
. Io no nambaran’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean omaly raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety teny Mahazoarivo ny tenany. Tsy misy afa tsy ny hetsika ataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no azo antoka fa hanafoana ny asan-dahalo saingy rehefa manohintohina ny tombontsoan’ny sasany ireny “opération” ireny dia mora ny manasoketa azy, hoy ny praminisitra. Nanamafy anefa ny tenany fa hitohy tsy ho ela ireny hetsika ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny ady amin’ny asan-dahalo ireny. Ankoatra izay, fantatra ihany koa izao fa hisy toby miaramila sy ny zandary vaovao izay hapetraka ao amin’ny distrikan’i Ihosy hanatevin-daharana ireo efa miasa any an-toerana. Tsy handalo dia miserana ihany ireo mpitandro ny filaminana hiasa amin’izany toby izany fa tena hitoetra.
Azo lazaina ho safidy tena stratejika ihany ny fisafidianana ny fananganana toby ao Ihosy noho izy tsy mampanano sarotra ny fifandraisany amin’ny renivohitra Fianarantsoa, Antananarivo na I Toliara noho ny fisian’ireo lalàna vita tara any an-toerana. Tena akaiky an’i Betroka sy Ankazoabo ary Ranotsara atsimo sy Befotaka izay samy faritra mena amin’ny asan-dahalo ihany koa ny distrikan’i Ihosy ka tsy ho sarotra ny famonjena ny vonjy taitra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.