Mirongatra indray ny halatra omby any amin'ny Distrikan'i Betafo tato
anatin'ny iray volana.
Saika nahitana izany avokoa ireo kaominina
somary nafampana teo aloha. Raha ny tatitra azo tany an-toerana dia
anisan’ny lasibatra ny tao Alakamisy-Anativato, Ambohimanambola ary
Soavina. Tao anatin'izay iray volana izay dia nahatratra 6 ny omby
lasan'ireo jiolahy ary voalaza fa ny 2 tamin'izay ihany no tafaverina.
Raha ny fahitana azy dia karazan'ireny halatra omby "Rainizavona" ireny
no mitranga, izany hoe omby angalarina dia tetehina any an-tsaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.