Actualités

Distrikan’i Betafo Mandravarava ny dahalo


  • Alarobia 05 Novambra 2014

Mandravarava ny dahalo any amin’ny Distrikan’i Betafo. Lasibatra ny Kaominina Soavina sy Mahaiza izay vao nisehoana fanafihana ka nahaverezana omby miisa 9.

Vao tsy ela akory anefa izay no nitrangana fanafihana mitam-piadiana ihany koa tao Imanja Kaominina Alakamisy Anativato ka nahavoatifitra tovolahy iray zanaky ny tompotrano voatafika. Taorian’ny fanafihana dia nodoran’ireo mpananibohitra ny tanàna ka tokantrano telo no ravan’ny afo tamin’izany. Voalaza fa nanodidina ny folo teo ho eo ireo dahalo manafika ary tsy misalasala ry zalahy no mitifitra. Isan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo ny Distrikan’i Betafo ary manampy trotraka izany ny fahatsian’ny lalana any ambanivolo, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Mandry tsy lavo loha ny mponina any amin’ireo kaominina lavitry ny renivohitry ny Distrika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT