Ataon’ny dahalo fialam-bony tanteraka ny distrikan’ny Betafo. Ankoatry ny vaky trano madinidinka amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra dia manao ny ataony ihany koa ny dahalo amin’ny halatr’omby
. Raha ny tatitra azo tamin’ny mpitondra fivavahana iray dia adihizan’ny dahalo mihitsy izy ireo tao Mahaiza tao. Ny alin’ny 02 desambra dia ny fokontany Ambohimanabe no notafihin’ny dahalo ka omby 12 no lasan’izy ireo tamin’izany, izay tsy nisy azo na iray aza rehefa natao ny fanarahan-dia. Niverina indray ireo dahalo ny alin’ny 08 desambra ka io toerana io ihany no mbola notafihin’izy ireo ary dia omby 16 indray no nalain’ireo dahalo tamin’izany. Rehefa nanara-dia ny fokonolona dia novonoin’ireo dahalo ny omby roa ary navotsitry izy ireo ny iray fa ny 13 kosa no nentin’izy ireo. Nandray fanampahan-kevitra moa ity tompon’andraikitra ity nampandre ny tompon’andraikim-panjakana momba izao raharaha izao satria toa efa milavo lefona tanteraka ny mpitandro filaminana ary toa tsy hitan’izy ireo intsony izay atao. Ny tompon’andraikim-panjakana any Betafo rahateo toa tsy hita be ihany izay fepetra raisiny fa miandry ny any Antsirabe ihany koa. Maty ihany izay ho faty.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.