Tontosa ny 10 septambra lasa teo, ny fametrahana ny vato fototry ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny Distrikan’Avaradrano,
izay hapetraka eny amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohidrabiby. Nitarika ny fotoana tamin’izany Atoa Randrianasolo Jacques, Mpitahiry ny Fitombokasem-Panjakana, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, anivon’ny fianakaviamben’ny Fitsarana. Nandritra ny lahateniny dia notsindrian`ny minisiteran`ny Fitsarana fa politikam-panjakana ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka ; Hampihenana ny fisavovonan’ny raharaha tsaraina ao Anosy. Nitodika manokana amin’ny fianakaviamben’ny Fitsarana ny minisitra mba hanentana azy ireo hiova famindra, hamerenana indray ny hasin’ny Fitsarana izay voahoso-potaka mazàna ka zary tsy atokisan’ny vahoaka. Tsy ny ho fijoalajoalan’ny trano na ny famirapiratany rehefa vita no entin’ny vahoaka mitsara antsika. Ny fomba fiasa no singa voalohany entin’izy ireny mandrefy ny raharaham-panjakana, satria vao io no ahitany tsikera dia ny fanjakana iray manontolo no voasoketa, ny fitsarana amin’ny ankapobeny no heveriny tsy ho azo itokisana. Mitaky fandavan-tena hiova, fahasahiana hijoro, ary fahavononana hiady. Hiova famindra, hijoro amin’ny marina ary hiady amin’ny kolikoly sy ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra izay mety isehoany, hoy hatrany ny fanazavana nataon`ny minisitry ny fitsarana. Haharitra roapolo (20) volana ny fanorenana ity fotodrafitrasa ity, izay hahitana : efitra ametrahana ny tahirin’antontan-taratasy, birao hiasan’ireo mpitsara sy mpiraki-draharaha, ankoatra ireo efitrano lehibe hanaovana ny fitsarana. Nanome toromarika mazava ho an’ny orinasa hanatanteraka ny asa ihany koa ny minisitra : « Volam-bahoaka no entina hamatsiana manontolo izao fanamboarana izao, ka tandrovy toy ny anaka andria-maso ny asanareo. Antenaiko tsy hisy tomika fa hanaraka an-tsakany sy an-davany izay nifanarahana ny vokatra hatolotrareo, rehefa tonga izany fotoana izany », hoy ihany izy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.