Actualités

Distrikan’Antanifotsy Tapaka tanteraka ny lalana mankany Antsampandrano


  • Talata 27 Janoary 2015

Tapaka tanteraka ary dia mitokamonina ny kaominina Antsampandrano, Distrikan’Antanifotsy. Raha ny fanazavan-dRtoa Razanamandroso Georgette, Ben’ny tanŕna dia lasa ora 5 be izao amin’ny Moto no hanaovana izany raha toa ka ora 2 monja izany amin’ny main’andro

. Tsy afaky ny fiara intsony ity lalana ity amin’izao fotoana ka any amin’ny kaominina Ambohitopoina no mijanona ny fiarabe, izay mbola 33 kilaometra miala an’Antsampandrano izany. Any no hametrahana ny entam-barotra samihafa ary taterina amin’ny sarety indray avy eo. Miakatra, araka izany, ny masonkarena satria raha miala an’Antanifotsy mankeo Ambohitopoina dia 100 Ariary ny saran-dalan’ny entana iray kilao ary 70 Ariary kosa indray ny itondran’ny sarety ny iray kilao avy eo. Misy fiantraikany amin’ny fidangan’ny vidin’entana, araka izany, ny fahatapahan’ny lalana any amin’ity kaominina ity. Tsy hitan’ny tompon’andraikitra intsony moa ny vahaolona fa dia atsipy any amin’ny izay tandrify azy ny resaka sao mba misy mihaino ihany, hoy ramatoa Ben’ny tanàna. Ny solombavambahoaka roalahy voafidy tao amin’ny Distrikan’Antanifotsy moa raha ny fantatra dia amin’ny antoko TIM ihany no mba efa nandalo nitsidika tany an-toerana tamin’ny fotoanan’ny main’andro ny volana jolay 2014 nandritra ny fametrahana ny biraon’ny zandary tany an-toerana ihany izany fa ny avy amin’ny Mapar dia nanjavona tanteraka hatramin’izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT