Jiolahy 6 nirongo antsy lava sy famaky ary baramina indray no nanafika tao Ambatomainty, Distrikan’Antanifotsy
Tsy misy alaharo fa avy hatrany dia amboletra ny fanafihana amin’ny andro sasakalina. Taitra tamin’ny vaky trano ny roa lahy ka niarina saingy niharan’ny daroka sy ny vely famaky ka naratra sy tsy afa-nanoatra. Tsy afa-nihetsika intsony ireo namany tao an-trano ka noteren’ireo jiolahy hamoaka ny vola ary voatery namoaka dimy hetsy sy roa tapitrisa Ariary teo ho eo. Vao azon’ireo jiolahy ny vola dia niporitsaka avy hatrany izy ireo ka izay ireo niharam-boina vao niantso vonjy saingy efa nadio ny rano nitan’ireo jiolahy. Tonga ny mpitandro ny filaminana avy tamin’ny zandary taorian’izay saingy ny famonjena ireo naratra sy ny nitondra izany tany amin’ny toeram-pitsaboana sisa no azo natao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.