Zanakazo Kininina sy Acassia 2 050 fototra no novolena ny 28 janoary teo tao Ambalatevana Ambalabako kaominina Sub Urbaine Ambatondrazaka. Nahatratra 600 mianadahy ireo olona tonga nanatanteraka ny adidiny tamin’io fotoana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2015 io.
Nandray anjara tamin’izany avokoa ireo sampandraharaham-panjakana sy ny fikambanana samihafa ao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Manodidina ny iray tapitrisa ariary mahery ny vola nentina nanatontosa izany. Nitondra fanampiana koa ny minisitra miadidy ny harena stratejika Lalarisaina Valérien. Mitarika ihany ry zareo avy amin’ny fiadidiana ny distrikan’Ambatondrazaka fa andraikitry ny rehetra ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Nambara ny lehiben’ny distrika fa amin’ity taona ity dia efa homanina ny vanim-potoana fambolen-kazo amin’ny taona 2016.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.