Nakaton’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny dispensaire Ekar etsy Antanimena. Omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina no natolotra ny dokotera Feziny Séraphine, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity tobim-pitsaboana ity ny didy mifandraika amin’izany narahina vadintany izay tonga hanakatona avy hatrany ny tobim-pitsaboana. Tsy nanaiky izany anefa ity dokotera ity.
Tsy fantatro rahateo ny antony, hoy izy, fa ny fisiana resaka mikasika ny dispensaire notantanako no reko ny volana oktobra lasa teo izay nilaza fa efa vita. Nitohy hatrany anefa izany hoy izy ka izao niafara amin’ny fanakatonana izao. Raha araka ny fanazavan’ity dokotera ity hatrany anefa dia mba manao adidy amin’ny fiangonana ihany izy ireo rehefa faran’ny taona. Anisan’izany ny fandoavana vokatra ho an’ny fiangonana sy ny paroasy. Entin’izy ireo hividianana fitaovana, hanatsarana ny fiainan’ny marary…kosa ny vola azon’izy ireo izay tantanany manokana fa tsy omena ny fiangonana mivantana. Hatreto dia mahatratra 200 isan’andro ireo marary raisin’izy ireo, indrindra amin’izao fotoana fanaovana fitiliana maimaimpoana ny aretina diabeta izao. Ny 60 isa amin’ireo dia lasibatry ny aretina avokoa raha olona tonga hanao fizaham-pahasalamana kosa ny 30 ambiny. Mahatratra 20 moa ny isan’ireo mpiasa ao amin’ity dispensaire ity amin’izao. Tenin’ny dokotera Feziny farany ary ny tsy hanekeny mora foana ny hanakatonana ny dispensaire tantanany raha tsy ny arsevekan’Antananarivo Razanakolona Marie Odon Arsene no manala azy ireo tanteraka. Notsindriany rahateo fa mbola ny 28 novambra ho avy izao no fe-potoana farany hiarahany amin’ny minisitera hanaovana ilay fitiliana ny aretina diabeta maimaimpoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.