Actualités

DISPENSAIRE EKAR ANTANIMENA


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Nifandona ny marary sy ny mpiandry vavahady omaly Mbola nanohy hatrany ny fandraisany sy ny fitsaboany ireo marary tonga manatona sy manaraka fitsaboana ao aminy hatramin’ny omaly ny dispensaire Ekar etsy Antanimena na dia efa nisy aza ny didim-pitondrana mandrara azy tsy hanao izany intsony.

Nanatona mpahay lalàna mantsy ny dokotera Feziny Séraphine raha araka ny fanazavany ka ireto farany no nanoro hevitra azy mba hanao fangatahana hahafahana manafoana io didim-pitondrana io. Nandray fepetra nampiditra ny marary tao an-tokotanin’ny fiangonana izy ireo nanomboka omaly raha teny ivelany hatrany hatramin’izay no nanaovany ny fizaham-pahasalamana. Vokany, raikitra ny fifandonana teo amin’ny mpiandry vavahady sy ny marary. Tsy nanaiky izany mantsy ireto farany noho ny baiko azony raha tsy nanaiky ihany koa ny marary. Vokany, renim-pianakaviana roa no nahatsiaro ho lasibatra omaly maraina toa an-dRamatoa Harphine, 62 taona avy any Toliara tonga mba hanao fitsaboana momba ny spiruline eto Antananarivo. Toraka izany koa ilay zanany vavy 34 taona mbola mitaiza kely. Na izany aza tsy naratra izy ireo saingy anisan’ny zavatra tsapany kosa ny toe-batany fanimpanina noho ny fifanosehana sy ny fifanjevoana. Tokony ho omaly tamin’ny 07 ora maraina no nitrangan’izany. Nilaza moa ny dokotera Feziny fa eo am-piandrasana ny valin-teny avy any amin’ny raiamandreny Arseveka izy amin’izao,  fiangaviana sy fangatahana efa nataony mba hahafahany manao ity asa fitsaboana ny marary etsy amin’ny dispensaire Antanimena ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT