Actualités

Disadisa eo amin’ny samy fiarahamonim-pirenena Niditra an-tsehatra ny fanjakana


  • Alarobia 16 Martsa 2016

Mikorontana tanteraka ny fananganana ilay filankevitra ambony miaro ny zon’olombelona sy ny fanjakana tsara tantana na HCDDED anisan’ny andrim-panjakan’ny Repoblika faha-4.

 

Tsy mifanara-kevitra ny samy fiarahamonim-pirenena ny amin’ny fomba hifidianana ny solontenan’izy ireo ao anatin’ity rafitra vaovao ity. Manoloana ny fifamaliana mahery vaika teo amin’ny samy fiarahamonim-pirenena sy ny fanehoan-kevitra maro manakiana ny fiasan’ny “Commission ad’hoc”, Dia nanapa­kevitra ny minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana fa hampiato ny asan’ny “Commission ad’hoc” araka ny andininy faha­5 andalana faha­3 ao amin’ny didim­panjakana laharana faha 2015­925 tamin’ny 09 jiona 2015, mamaritra ny fifidianana ho mpikambana ao amin’ny HCDDED. Hisy ny fiantsoana ny vondron’ny fiarahamonim­pirenena hananganana ny “Commission ad’hoc” vaovao hanohy ny fikarakarana ny fifidianana izay ho mpikambana ao amin’io andrim­panjakana vaovao io. Miverina zero araka ny fomba fiteny izany ny fikarakarana ny fifidianana izay ho solontenan’ny fiarahamonim-pirenena ao amin’ny filankevitra ambony miaro ny zon’olombelona sy ny fanjakana tsara tantana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT