Nivoaka omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy ny andiany “Ilaina”, diplomaty vaovao miisa 13 mianadahy navoakan’ny sekoly ambony ENAM.
Sambany teo amin’ny tantaran’ny diplomasia Malagasy, raha ny fanazavan’ny minisitry ny raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, no nisy famoahana ampahibemaso diplomaty vaovao toy izao tao amin’ny minisitera iadidiany. Efa maherin’ny 150 ireo diplomaty matihanina nandalo tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Notolorana ny samboady marika ny maha mpihevi-draharahan’ny raharaham-bahiny azy sy ny fidirany ao amin’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ary ny maha diplomaty matihanina azy moa izy 13 mianadahy ireto ary nampahafantarina ampahibemaso ny andraikitra hiantsorohany avy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.