Actualités

Diplaoma sandoka Mpiasam-panjakana ambony 3 indray no tratra


  • Zoma 25 Septambra 2015

Taorian’ny efa nampidirana am-ponja vonjimaika ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy noho ny fampiasany taratasina maripahaizana hosoka dia re indray izao fa mbola misy mpiasam-panjakana ambony 3 hafa voapaingotry ny Bianco noho ny fampiasana diplaoma sandoka sy hosoka ka hatolotra ny fitsarana anio.

 


 

 Mbola ao amin’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny asa ihany ny roa amin’ireo olona mpampiasa maripahaizana sandoka ireto, ny iray kosa dia tompon’andraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Tanjon’ireto olona mampiasa antontan-taratasy hosoka ireto moa raha fintinina ny hampitombo ny gradiny sy ny hahazoany tambin-karama bebe kokoa hatrany. Ireo aloha no tratra fa tsy fantatra izay mbola any ambadika any. Manaratsy endrika tanteraka ny asam-panjakana ambony eto Madagasikara ny zavatra tahaka izao ary mampitotongana ny hasin’izany asa izany. Mpisandoka sy mpanao hosoka ve izany sanatria no mahazo toerana saropady eto amin’ny firenena ? Tsy mahagaga raha mikorosofahana tahaka izao ny fiainam-pirenena. Gaboraraka ny fitantanan-draharaham-panjakana  satria olona tsy ampy fahalalana sy fahaizana akory fa misandoka diplaoma na manao tsolotra etsy sy eroa no mahazo toerana ambony sy mitana andraikitra makadiry.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT