Nidoboka am-ponja ny lehiben’ny departemanta iray tao amin’ny Lisea teknika Antsiranana.
Voarohirohy amina diplaoma hosoka ity farany. Fanadihadiana nataon’ny Bianco Antsiranana no nampitsikafona ny raharaha. Efa tambajotra kely izy ity, saingy izao vao tratra. Niainga tamina fitoriana nataon’olon-tsy fantatra, taorian’ny fanendrena tale iray hisahana asam-panjakana ao Antsiranana ny raharaha. Anisan’ireo nahazo diplaoma tao amin’io sekolim-panjakana io ilay tale. Nisy ny ahiahy fa azon’ingahy tale tamin’ny fomba tsy mazavazava io diplaomany io. Tonga teny amin’ny Bianco ny fitoriana. Nandeha ny fanadihadiana. Ilay lehiben’ny departemanta no tratra farany fa ny provizera tao tamin’ny fotoana nivoahan’ny diplaoma tsy hita nanjavonana, toraka izany koa ilay tale notendrena. Mpanabe efa handeha hisotro ronono, tsongoin’olom-bolo ary manana andraikitra amin’ny fiangonana FJKM Rafaralahy Andriamazoto Tanambao, Synodamparitany Faritany Voalohany Antsiranana ity voatazona am-ponja ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.